4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vol 2. ho iraka - Ny Antsa Fitiavana

Refétence :



       « Hitory ny anaranao amin’ny rahalahiko Aho; Eo amin’ny fiangonana  no hiderako Anao » (Heb 10:39 - Hebreo 2:12)

      

--------------------------------------------------------------------



1. Mahagaga, maharavo raha ny fitiavanao

Tompo Tsara, manan-jara aho manana Anao

Fifaliana, fitahiana no mbola narotsakao

Ka tratr’izao taom-pihobiana izao



2. Raha ny asa tamin’ny lasa no itodihana indray

Dia nalemy, tsy sahaza izahay

Nefa izany sento ihany, fa nomenao ny herinao

Tanteraka avokoa izay natao



KA HIHIRA AHO, ENY HIHOBY NY ANARANAO

NY DERA SY NY HAJA KOA, DIA MENDRIKA HO ANAO

ETO KOA NO HANAVAOZAKO, FANOLORANTENA VAOVAO

TSY HIALA AMINAO TOMPON’IZAO REHETRA IZAO.

3. Nefa mbola maro koa ireo tsy manaiky Anao

Fa minia tsy mahalala tsotr’izao

Vonona aho ho irakao, na ho mafy aza ho sahy

Tsy hihemotra hamonjy ny fanahy



KA HIHIRA AHO, ENY HIHOBY NY ANARANAO

NY DERA SY NY HAJA KOA, DIA MENDRIKA HO ANAO

ETO KOA NO HANAVAOZAKO, FANOLORANTENA VAOVAO

TSY HIALA AMINAO TOMPON’IZAO REHETRA IZAO.





Tonony sy Feony : RAKOTONANAHARY Fanomezantsoa Haritiana

(NOVEMBRE 2003)

Partager vol 2. ho iraka

Commenter vol 2. ho iraka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Antsa Fitiavana

Suite